Ny fandalana ny famoronana dia rafikevitra milaza fa ny olombelona, izao tontolo izao sy ny voahary manontolo, dia noharina tany am-piandohana fa tsy vokatry ny fipoahan-javatra kisendrasendra avy tamin’ny tsy fisiana n’inona n’inona dia tonga fisiana ho azy teo.
Monina eo amin’ny tontolo kely izay mahafinaritra toa asatanana voakaly isika, tontolo mizaka tena sy mirindra toa sambondanitra eo anivon’ny habakabaka . Isika rehetra, ao anatin’ny fitandrovana ny aina, ny fifehezana ny tontolo manodidina sy ny fahafatesana, dia samy maneho ny fisian'ny hatsarana, hanitra, fitiavana sy feonkira kanto. Mba saino anie. Ny haikajy, haifahendrena, lohataona, fahasimbana, fambolena sy fiompiana, fiarahan’ny lahy sy ny vavy, fisiana anabakabaka ary ny boiboikan-dranompingotra; ireny rehetra ireny ve dia nipoitra avy amin’ny tsy fisiana n’inona n’inona? niforona avy tamin’ny kisendrasendra fotsiny?
Tamin’ireo taranaka rehetra efa nifandimby niaina teto ambonin’ny tany, dia isika no milaza ho manana fanamarinana ny tsy fanekentsika ny fisian’Ilay Mpitamarika Mahay Izay nametraka sy nampandeha izao zavatra rehetra manodidina antsika izao. Tokony hatahotra ny hanao izany isika fa tsy ho sahisahy foana ka tsy hino.
Tokony ho 3000 taona lasa no nanoratan’ny Davida Mpanjaka hoe ( Salamo 8:3-4 ) «Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantananao, sy ny volana aman-kintana izay noforoninao, inona moa ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona no hamangianao azy?»