Ny Baiboly   ⇦sa⇨   Ny anjely voaroakan’ny OVNIS

Baiboly, I Timoty 4:1  "Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia."

Maro amin’ireo izay mandalina momba ny zava-manidina tsy fanta-pototra (OVNI) no nahatsikaritra fa ny kapila misidina (na OVNI hafa karazana) indraindray dia manohitra ny lalànan'ny siansa. Toy ny hoe miala ary avy amin'ny fetrantsika; mamela porofo indraindray ary hita amin'ny radara izy ireo, fa misy fotoana kosa dia toa miseho sy manjavona arak’izay tiany. Angamba tsy avy any amin'ny planeta hafa tsy akory izy!

Ny fikarohana maoderina araka ny fizikan’ny kasinga dia mampiseho fa ny atoma sy molekiola tsirairay ao amin'ny tontolontsika ara-materialy dia voarafitra habaka mihoatra ny 99.9%.  Angamba isika dia ao anatin'ilay karazana antsoina hoe holograma!  Andao horaisintsika ny teorian’ny tady - angamba ny ireo siantifika sy mpahay teolojia mety hifanara-tsaina ihany ny farany - ao anatin'ny tontolo tsy hita fetra iray izay mety ho 10 rafitra ara-matematika, ary mihodidina antsika isan'andro.

Tsy ho ela, dia ho tonga indray miaraka ny Governemanta iombonana Maneran-tany. Maro no ho voafitaka. Miaina ao anaty vanim-potoana feno fitaka isika izao. Mivavaha hahazo fahendrena! Mivavaha mba hiarovana amin'ny fitaka.
 

Ny ambahindahin’hetsiky ny OVNI dia ampahany lehibe amin’izany fitaka izany. Ny teoarin'ny fivoarana (tsy mahery Andriamanitra) dia iray hafa. Raha toa ka namorona olona tany amin'ny planeta hafa Andriamanitra  ... 
 ...  koa dia mpanota ihany koa ve izy ireo? Raha toa ka tsy mitory famonjena amin'ny alàlan'i Kristy voahombo izy (na anjely aza), dia aoka ho voaozona!

Galatians 1:8  "Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy [manohitra] izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy."



Ny Baiboly
Anjely voaroakan’ny OVNI
Genesisy 1:27  "Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy."
⇦sa⇨
"Izahay no namorona anareo; ary zokinareo efa ela izahay. Namafy aina teny amin’ny tany izahay fony ela. Ary indro tazano ny nampivoaran’ny fandrosoana anareo."
Luke 4:8b  "Fa Jesosy namaly: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao."
⇦sa⇨
"Hitarika anao ho amin'ny fahamarinana avo lenta kokoa izahay. Ireo olona mpivavaka tsy mahalala ireo no manakana anao tsy hahatratra ny mety ho fahavitàn’ny herinao amin'izao rehetra izao"
Genesisy 3:5b [Hoy ilay menarana] 
"...hitovy amin’Andriamanitra ianareo."
⇦sa⇨
Fampianaran’ny anjely voaoroakan’ny OVNI: 
"Hitovy amin’Andriamanitra ianareo."
I Timoty 6:20b  "... tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin'ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin'izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy."
⇦sa⇨
"Matokia 'siansa'; matokia anay. Minoa fa tonga lavitra isika eny amin'ny habakabaka; Aza rarahiana akory fa izahay anie ka avy amin'ny refy hafa eo akaiky eo."
Kolosiana 1:16  "Fa tao aminy no nahariana [Christ Jesosy] ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana [seza fiandrianana], na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany."
⇦sa⇨
"Jesosy dia mpaminany lehibe, ary mpampianatra mahatalanjona, fa tsy tena Andriamanitra tonga nofo; raha ny marina dia zaza kintana izy, izay tanteraka teo amin’ny fivoarany! Ianao koa dia mety ho lasa tsara ho an'ny lanitra amin’ny herinao irery, raha manaraka anay ianao."


Ohabolana 1:7  "Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana."

Ohabolana 3:19  "Fahendrena no nanorenan'i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra."

Tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha, i Satana sy ny anjely voaroaka avy tany an-danitra dia nidina tamin'ny loholona ary nanao ny tenany ho andriamanitra diso mba hivavahana. Ankehitriny, hitantsika fa "tonga ety amin’ny tany" izy ireo ary manao ho "rahalahintsika"; mitady ny fomba hitarihana antsika hanalavitra ny Tompo sy ny fampianarana marin’ny Baiboly. Ho maro no voafitaka. Betsaka no hiondrika eo anoloan'izy ireo ary hanaiky an-tsitrapo ny "fampianaran'ny demonia" ampianariny.

2 Tes 2:9-11  "Ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga."

2 Tim 3:1-4  "Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra."

Ny fitaky ny OVNI dia mitoetra tsara mihitsy eo am-pelatanan'ny olona mankato ny fivoarana sy te-hino azy fa tsy mino an'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly.

Hebreo 13:2  "Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany."


The Christian Gospel Message

Significant SETI Nothingness 

 
"Ny Baiboly sa ny anjely voaroakan’ny OVNIS"
<http://www.creationism.org/malagasy/UFOsOrBible_mg.htm>

Main:  Malagasy
www.creationism.org