Mifanaraka ny Siansa sy ny Baiboly
http://www.creationism.org/malagasy/BibleSci_mg.htm

Nandritry ny fotoana nifandimby, no nahitana mazàna ireo mpahay siansa diso hevitra mikasika ny siansa. Ny baiboly anefa tsy mba tahaka izany fa marina foana izy hatramin`ny antsipirihany. Na dia tsy raki-tsoratra ara-tsiansa ary akory ny baiboly dia maro ireo loha-hevitra ara-tsiansa voarakitra ao, izay marina sy mitombina mandrakariva.


Ny fiheveran`ny mpahay siansa azy hatrizay …
Ny asehon`ny siansa ankehitriny …
Ny Baiboly dia manambara hatrany …
Aman`arivorivony ka hatramin`ny aman`hetsiny ihany ny kintana eny amin`ny lanitra. Lavitrisa, lavitrisa maro ka tsy hay isaina ny kintana. Jeremia 33:22a "Toy ny hamaroan`ny kintana eny amin`ny lanitra, izay tsy azo isaina…"
Fisaka ny tany. Boribory ny tany. Isaia 40:22a "Izy no mipetraka … eo ambonin’ny habakabaka izayandohalambon’ny tany."
Tsy mihetsika fa efa eo fotsiny ny fahazavana. Mikisaka ny fahazavana, ary manana toetrana: onjam-pahazavana. Job 38:19a "Aiza ary no làlana ho any amin’ny fonenan’ny mazava? ..."
Araka ny fiheverana momba ny fiforonana ho mitohy miandalana dia misy ho azy fotsiny ny kintana. Tokana ny kintana tsirairay. Ary koa ny vondronkintana dia mifanintona mihodidina. Job 38:31 "Mahavona ny kofehin’ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?"
Tokony esorina ny rà ratsy mba hisian`ny fahasitranana. Antoky ny aina ny rà, ary indraindray dia ilaina ny famindran-drà hanampy ny efa misy. Leviticus 17:11a "Fa ny ain’ny nofo dia amin’ny rà."
Tsy manana lanja ny rivotra, misy fotsiny izy io. Ny oksigena, ny azota azy ny dioksida karbona dia samy manana ny lanjany izay azo refesina avy. Job 28:25a "Ka manendry ny lanjan’ny rivotra."
Mitsoka manandrify ny tany ny rivotra. Ny tso-drivotra dia manaraka fikisahana mihodidina (boribory). Ecclesiastes 1:6b "Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.."
Misy mibaby ao an-damosiny ny tany. Mitsingevana tsara ny tany. Job 26:7b "... and handro amin’ny rano mandeha izy, dia hadio."
People just get sick; hand washing is not important. Many diseases spread by contact; wash your hands in running water. Leviticus 15:13b "... and wash his clothes, and bathe his flesh in running water..." 
Mitovy avokoa ny kintana rehetra. Tokana ny kintana tsirairay. I Corinthians 15:41b "...hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray in glory."
Zavatra niforona ho azy niainga tamin`ny tsy misy- izay tsy dia nisy antony loatra - poa toa izay, nisy ho azy izao tontolo izao ! Ny zava-misy rehetra dia misy fihatraikany avokoa; io no tena siansa. Anton-javatra sy vokany, ilaina ny fidirana mba hitondra fivoahana Gen 1:1 Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany."

Na dia nanan-tsaina aza ny grika mpandalina siansa iray antsoina hoe Claodio Ptolemeo (150 AD), dia mbola diso hevitra ihany ka nino koa fa izao tontolo izao dia mihodidina eo amin`ny tany. Diso tanteraka izany. Kanefa dia nandritry ny arivo taona maro ny mpahay siansa rehetra dia nino izany. Ny fahalalana tamin`izany fotoan`andro izany dia nampianatra fa mihodidina eo amin`ny tany izao tontolo izao ary olona avara-pianarana maro no resy lahatra tamin`izany, toy ny mpitondra firenena sy mpitondra fiangonana tany Eropa. ( izay tsy fampianaran`ny baiboly akory). Raha ny marina dia marimaritr` iraisana ara-tsiansa diso toerana no naharesy lahatra ny maro hanohitra ny toa an-dry Kopernika sy Galileo, manodidina ny taona 1600 AD. Galileo no naneho fa nandritry ny arivo taona ireo mpahay siansa ireo no diso hevitra.

Galileo akory tsy ohatra momba ny fivavahana mifanohitra amin`ny siansa, fa ohatra kosa nahitana ny fahadisoan-kevitry ny marimaritr` iraisan`ny siansa, sy ireo mpahay siansa tamin`ny izay fotoan` andro izay,ka nandresy lahatra ny hafa hino ny fahadisoany.

Azo ekena ho mitombina ny fivavahana raha mampanakaiky antsika amin`ny fahamarinana.

Azo ekena ho mitombina koa ny siansa raha mampanakaiky antsika amin`ny fahamarinana.

Matetika koa ny finoan`ny mpahay siansa ankehitriny no mitovy amin`ny fahadisoana toa izay tamin`ny andron`i Galileo. Tadidio fa olona nandalina ny siansa, no tao amin`ny fahadisoan-kevitra ka nandresy lahatra ny maro fa izao tontolo izao dia mihodidina eo amin`ny tany.

Tadidio koa fa tamin`izany fotoana ny siansa dia nampiray ny astrolojia sy ny astronomia, ny alsimia sy ny simia, nampifangaro zavatra maro. Matetika ny mpandinika siansa no latsaka anaty fahadisoana, ny baiboly anefa dia marina sy mitoetra ho mitombina mandrakariva. Ankehitriny ireo mpivoy ny fivoaran`ny tontolo dia mampiray izay finoany izay amin`ny siansa, eny fa na dia efa voaporofon`ny siansa aza fa tsy afaka hitranga intsony izay fivoarana izay. Ny Baiboly anefa, mampianatra fa hatry ny fiandohantsika: Gen 1:1 “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.”

Ireo mpahay siansa mivoy ny fivoatry ny voaary dia mbola mamerina ny fahadisoan`ny siansa indray. Ny Baiboly anefa dia maneho hatrany fa marina sy mitombina mandrakariva izay ambarany.


REFERENCES - For More Information

"Hidden Treasures in the Biblical Text" by Chuck Missler, c. 2000.  Published by Koinonia House, 120 pages.  ISBN 1-57821-127-1

"Scientific Facts in the Bible" by Ray Comfort, c.2001.  Published by Bridge-Logos Publishers, 95 pages.  ISBN 0-88270-879-1

"The Vanishing Proofs of Evolution" by Thomas F. Heinze.  Published by Chick Publications, 94 pages.  ISBN 0-758905-70-X
 

"Mifanaraka ny Siansa sy ny Baiboly"
<http://www.creationism.org/malagasy/BibleSci_mg.htm>

Main:  Malagasy
www.creationism.org